Nitaraina tamin’ny firaisamonina sivily Rohy teny Ambatonakanga ireo mponina voakasiky ny tetikasa trano mora eny Imerintsiatosika, omaly. Mahazo tsindry amin’ny fananan-tany efa nositrahany ireo solontenan’ny mponina. Mahatratra 980 hektara ny tany natokan’ny fanjakana anaovana ny tetikasa eny an-toerana. “340 hektara ny tanim-panjakana tafiditra amin’io fa tanin’olon-tsotra avokoa ny ambiny”, hoy ny filohan’ny filankevim-pitantanana ao amin’ny fikambanan’ny Mamita, Razafiarison Clement. “Proprieté privé non titré” (PPNT) ny ankamaroan’ireo tany ireo, tsy mbola nahazoana kara-tany. “Tsy ekenay ny hangalana ny taninay satria lova avy amin’ny ray aman-dreny ireo tany ireo”, hoy ny fanazavana. Efa nisy niala ireo mponina vosakasiky ny tetikasa eny an-toerana tafiditra ao anatin’ny tanim-panjakana. Mitaky ny fanjakana hanao “borne” sy “titre” faobe ny tanin’ny mponina any an-toerana izy ireo. Mba hiarovana ny mponina sy tsy hisian’ny olana manoloana ny fanatanterahana ny tetikasa.
Tototry ny atsanga ny tanimbary maro
Ankoatr’izay, nohamafisin’izy ireo fa tokony hiteraka fampandrosoana eo amin’ny mponina ny tetikasa atao. Nilaza anefa ireo mponina fa misy fiantraikany ratsy amin’ny famokaran’ny olona any an-toerana ny “terrassement” atao. Tototry ny antsanga sy riaka tanteraka ny tanimbary sy ny tanimboly. Mihena noho izany ny rano ampiasain’ny mponina amin’ny asa fambolena. “Efa nisy ny fijeren’ny tompon’andraikitra ny zava-misy fa tsy mbola nisy vahaolana”, hoy hatrany izy ireo.
Manainga ny tompon’andraikitra voakasiky ny tetikasa tanamasoandro sy ao amin’ny fananan-tany ny firaisamonim-pirenena Rohy mba hijery ny zava-misy eny ifotony sy hihaino ny feon’ny mponina ary hamaha ny olana misy.
Mino (mpianatra asa)