Volley-CAVBZone 7: nahazo fandresena ny Stef’Auto avy eto Madagasikara

Niditra tamin’ny lalao faharoa ny ekipan’ny Stef’Auto Atsinanana, omaly, ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7 (CAVBZone 7), ao Maorisy. Nahazo ny fandresena voalohany izy ireo.

Nanitsy ny lesoka ny Stef’Auto ! Taorian’ny faharesena azony, ny alahady lasa teo, nanoloana ny Tampon Gecko Volley ball Sportif avy any La Réunion, tamin’ny seta 3 noho 1, nahazo ny fandresena voalohany izy ireo, omaly. Fandresena nanoloana ny ekipan’ny Oranges club sportif d’amitiés, Rodrigues, tamin’ny seta 3 noho 1 (25-19/15-25/25-18/25-20). Nahitana fivoarana ny fahavitrihana teny ambony kianja. Nisy fahamatorana ny afovoany. Ireo no antoka nahazoana ny fandresena.
Raha ny fandaharan-da­lao, hiditra amin’ny andro fahatelo faran’ny fifanintsanana isam-bondrona, anio, ma­noloana ny Volley Ball Ka­nibe ny Stef’Auto. Ho an’ny ekipan’ny GNVB lehilahy, hihaona amin’ny Quatres Bornes Volley ball avy ao Maorisy, anio, ry Andry sy ny ekipany. Lalao andrasana, tombanan ho tena heady. Ekipa samy tafiditra tao ana­tin’ny 4 voalohany, tamin’ny CAVBZone 7 farany natao teto Madagasikara, na ny GNVB na ny QBVB.

Tsy nahatohitra
Raha fandresena kosa ny azon’ny GNVB vehivavy tamin’ny andro voalohany, somary nidina ny herijika tamin’ny lalao faharoa natrehiny omaly, nanoloana ny Saint Denis Olympique Vol­ley ball, La Réunion. Na izany aza, niady hatramin’ny farany ny ekipan-dry Fifih sy ry Hoby. Teo amin’ny seta voalohany sy faharoa no nisy ny tandrevaka ary niezaka nanarina ny ekipan-dRazafin­jatovo Jean Honoré, tamin’ny seta faha-3 sy faha-4, saingy tara loatra. Nivoaka ho mpandresy mazava tamin’ny seta 3 no ho 1, araka izany, ny ekipan’ny Saint Denis Olympique Volley ball, La Réunion.

Mi.Raz

Partager sur: