Niaka-tsehatra tetsy amin’ ny IFM Analakely, ny sabotsy lasa teo, ny Mamiso Trio, avy atsy La Réunion, tamin’ny alalan’ilay seho miavaka «Fitempo», ao anatin’ny hetsika «Zaza mifety». Nambaran’i Njiva, solontena avy amin’ny Mamiso Trio fa «fampitana hafatra ny fiakarana an-tsehatra teto Madagasikara ny «Fitempo». Miresaka momba ny rano sy ny antony ilana ny rano, izay manasongadina tanteraka fa ny rano dia aina. Azo ambara fa faly ary nampihetsi-po ny olona nanatrika ny hetsika notontosaina, tao an-toerana. Tafita any amin’ny tsirairay ny hafatry ny «Fitempo»». Nasongadiny fa mbola hisy ny hetsika hotanterahin’izy ireo ny 1 marsa izao, ny «Sakasaka» hiarahana amin’ny Zolobe (Antsiranana). Hisy sekoly ahitana mpianatra eo amin’ny 80 eo kosa hitondrana ny «Fitempo».
Fanirian’i Mamiso Trio ny hilalao sy hitondra hetsika eto an-tanindrazana. Nasongadin’i Njiva, fa manana seho antsoina hoe «Mme Gasikara» ry zareo. Tian’izy ireo hoentina eto Madagsikara io seho miavaka io. Ao koa ny hetsika fahatelo, izay vao nivoaka tamin’ity taona ity, antsoina hoe «Maloia» na hoe «Malahelo aho». Nohazavain’i Njiva fa : «loharano nipoiran’ ny gadona maloya any La Réunion io. Raha ny tantara , niainga avy aty Madagasikara ireo mponina ao La Réunion. Niara-dalana tamin’ireo mpifindra monina avy any Inde sy avy any Afrika…Teraka ny alahelo ny tanindrazana… Saika miainga avy amin’ireo karazana zavakanto avy any Atsimon’i Madagasikara ny fampisehoana atao amin’io «Maloia» io». Ho an’i Njiva manokana, niainga tamin’ny sehatry ny dihy tao amin’ny Rarihasina izy. Nifanena tamina mpandihy maorisianina ka nipetraka tany nandritra ny telo taona.
Niofana manokana momba ny dihy indianina. Nifindra tatsy La Réunion rehefa nifankahita tamina kaompania misehatra amin’ny dihy.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto