Amoron’i Mania : nidina ifotony ny minisitra roa

Niaraka nidina tany Ambo­sitra, faritra Amoron’i Mania, ny 25 febroary teo, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Rakotomalala Herin­drainy Olivier, sy ny ao amin’ ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Solo­niaina. Anton-dian’izy ireo ny nijery ny fotodrafitrasa sim­ban’ny rivodoza Freddy, sady nitondra fanampiana ho an’ny traboina. Toa ny vary, menaka, voamaina, siramamy, savony, PPN vatsy Tsinjo, koveta, tafo fanitso ary jiro Cobra.
Nampiandraiketina hitsinjara ao anatin’ny mangarahara ny fanampiana, indrindra ny fianakaviana tena marefo, ny Foibem-paritry ny fitantanana ny ambana sy ny loza voajanahary (CRGRC) Amoron’i Mania, eo ambany fiahin’ny governoran’ny faritra.
Nitohy tany Fandriana ny dian’izy ireo, nizara ny fa­nam­piana. Hanazavana ny tanàna ny jiro Cobra, ka laharam-paha­mehana ny hopitaly, ny sekoly ary ny toerana be mpampiasa sy mpandeha. Nomena fanam­piana koa ny zokiolona sy ny tanora skoto. Nampahafan­tarina ny mponina koa ny minisitra vaovao, Andria­manampisoa Soloniaina sy ny governora Rtoa Fomendraza Haingo Elisette.

Njaka A.

Partager sur: