Antenimierandoholona: fiaraha-miasa maro amin’i La Réunion

Maromaro ny toerana notsidihin’ny delegasiona malagasy tarihin’ny filohan’ny Antenimie­randoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, atsy amin’ny Nosy La Réunion, hikarohana fiaraha-miasa.

Notsidihina ny foibe frantsay iraisam-pirenena mikasika ny fampianarana, fanofanana ny olom-boafidy, ny mpianatra, ny mpiasa ambony, ny fitan­tanan-draharaha, ny tanora mpiasa, sns. Eo koa, ny Con­servatoire botanique de Mas­carin (CBN), misahana ny tontolo mananaina sy ny tontolo iainana. Manampy izany ny foibe fitiliana avy amin’ny zanabolana, hikirakirana ny sary mikasika ny fanajariana ny tany, ny fikirakirana ny antontam-baovao mikasika ny fambolena, ny fiarovana ny tontolo iainana, sns.
Hisy koa ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny tobim-pitsaboana Clinifutur, manampahaizana amin’ny « dyalise ». Ho an’ny tanora, notsidihina ny Le Village CA, mampivondrona ny tanora Star-up, tohanan’ny banky misahana ny fambolena.

50.000 euros ho an’ny traboina

Nisy koa ny fihaonana ta­min’i Eric Ferrere, filoha lefitry ny filankevitry ny departemanta La Réunion, misahana ny asa vaventy sy ny fanomezan-danja ny vakoka ny tenany, ny 23 febroary teo. Nohara­rao­tin’ny filoha lefitra, E. Ferrere tamin’ity fotoana ity ny fiaraha-mioriny amin’ireo fiankavian’ny niharam-boina namoy aina tamin’ny rivo­doza Freddy, sady fanohanany ny vahoaka malagasy. Nano­lotra lelavola 50.000 euros i La Réunion, araka izany. Ni­saotra izany ny filohan’ny Antenimierandoholona tamin’ ny anaran’ny filoham-pire­nena sy ny governemanta ary ny vahoaka malagasy.

Njaka A.

Partager sur: