Resabe eo amin’ny tontolo politika ny fanambarana nataon’ ireo raiamandreniben’ny firenena toa an-dRamatoa Razanamahasoa Christine sy Atoa Soja Jean André na i Kaleta. Tao anatin’ ny roa andro, manambara ampahibemaso ny tsy fitoviam-pijery amin’ny samy mpanohana ny filoham-pirenena izy ireo. Andaniny, Ramatoa filohan’ny Antenimierampirenena mampatsiahy fa mendrika ny faritanin’i Fianarantsoa ny toeran’ny praiminisitra. Ho sandan’ny fanohanan’izy ireo azy. Toa tsy baikoin’ny fitiavan-tanindrazana, fa miady seza. Ahoana tokoa moa izany raha samy hangataka minisitera 10 avy ny faritany enina ?
Ankilany, sady nivantana no tsy nitsitsy ingahy mpanolotsaina manokana momba ny politikan’ny Filoham-pirenena, Atoa Kaleta. Toa namoha fota-mandry, hoentina miampanga iry voalohany. Ny indrokely, tetezamita izay nentin’ny olona tohanan’Atoa mpanolotsaina ihany no « patron » an’ity minisitry ny fitsarana noresahiny.
Tsy hororitina lava ny momba an’iny, fa ny tiana horesahina anio, dia ity ady saritaka amin’ny mpanohana ny fitondrana ity. Tena tsy lojika ny zava-miseho. Na manohana dia tena manohana, manaraka ny lamina sy ny fanendrena isan-karazany ataon’ny Filoha. Tsy misy izany hoe tiana ilay olona, kanefa ilay fandrindrana asa apetrany sy ny olona iarahany tsy ankasitrahana. Rehefa tsy izay, aleo tsy mitia satria fihatsarambelatsihy sy fampijalian-tena ny fiaretana sy ny fiandrasana tsy misy.
Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra hoe: tsy maintsy handresy amin’ny fifidianana ny mpitondra. Mitaky firaisan-tsaina sy fampitoviana ny tadin-dokanga izany. Ilay fanaovana takalonaina ny filoha sy ny fampifilafilana atao azy io, no singam-bolo handavo ny vositra. Sarotra ho an’ny firenena miady an-trano ny handresy anaty ady goavana sy hatrehina afaka volana vitsy. Tsy ho araky ny olona tohanana avokoa ny adidy ho an’ny tanindrazana sy ny fandaminana ny adin’ankizy ao an-tokantrano. Taon-trano tsy efan’ny irery ny fampandaniana ny filoha na am-perinasa aza izy.
Efa iaraha-mahalala ny toe-java-misy ankehitriny, mihetsiketsika ny Fiombonan’ny fiangonana kristinina eto Madagasikara na ny FFKM, mamory ny ankolafin-kery politika misy. Ny vovonana politika sy ny fikambanana isan-tsokajiny rahateo, mikonokonon-javatra tsy hay mazava. Tsy misy tompon’ny ampitso, na iza na iza. Tsy ampy ny fitokisan-tena sy ny fiheverana ny vahoaka malagasy efa « voasoavaly », tratran’ny tian-kano, tsy tian-kano. Tsy afa-mihetsika satria maty noana sy bokan-trosa. Marefo e ! tsy manan-tanana handrangotra.
Fehiny, mila milamina sy mandamina ny mpanohana fitondrana, raha tiany ny hahamarin-toerana ny sezany.
r.r