Asan-jiolahy : fito lahy voasambotry ny polisy

Nanaovan’ny polisy vela-pandrika, noraisim-potsiny niaraka tamin’ny vilany nangalariny ny mpamaky trano telo lahy tao Mandritsara, ny faran’ny herinandro teo. Mi­taraina matetika ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana. Tsy mifidy alaina ireo jiolahy fa entiny hatramin’ny vilany fandrahoana sakafo. Nanao paikady hanatrarana ireo tsy mataho-tody noho izany ny eo anivon’ny polisim-pirenena ao an-toerana. Nahi­tam-bokany avy hatrany izany. Tra-tehaka ny telo lahy nia­raka tamin’ny vilany, fahitalavitra iray niampy arina fandrehitra teny amin’izy ireto. Ankoatr’azy ireo, efatra mira­halahy tsy ampy taona niaraka tamin’ny lahiantitra iray koa voasambotry ny polisy. Nan­ga­latra akoho avokoa izy ireto. Nentina nihazo ny biraon’ ny polisy atao fanadihadiana ireto voasambotra ireto. Ato­lotra ny fanampanoavana ao­rian’izay. “Miantso ny vahoakan’i Mandritsara mba hanome loharanom-baovao ara-potoana mba hamongorana ireo tambazotrana mpanao asa ratsy ny Polisim-pire­nena”, hoy ny lehiben’ny mpi­tandro filaminana ao an-toe­rana.

Tsiferana R.

Partager sur: