Campus Ambondrona : hiroso ny asa raha vao vita ny tombana

Mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana momba ny fifandonana nitranga tao amin’ ny campus Ambondrona Maha­janga, ny 19 febroary lasa teo. Manao ny andraikiny amin’ny fanadihadiana ihany koa ny “cellule anti-corruption” (sam­pandraharaha fisorohana ny herisetra eny anivon’ny oniversite) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana am­bony sy ny fikarohana ara-tsiansa miady amin’ny herisetra mitranga eny anivon’ny Anjerimanontolo.
Amin’ny maha raiamandreny ny minisitry ny Fampia­narana ambony, profesora Assoumacou Béatrice, nitondra teny fananarana sy fampahatsiahivana ho an’ny mpianatra izy. Nambarany fa tsy azo ekena intsony ny fiverenan’ny herisetra eny anivon’ny oniversite Mahajanga sy ny amin’ ireo IST ary ireo oniverste hafa rehetra. Vitsy ny fotodrafitrasa azo ampiasaina ka manohy ezaka ny fitondram-panjakana nanorina trano vaovao sy manarina ny simba. Rehefa vita ny tombana momba ny fitaovana sy ny vola ilaina amin’ny fanarenana dia hiroso avy hatrany ny asa.
Nitondra fanampiana tany an-toerana ho fanarenana sahady ny simba sy ahafahan’ny mpianatra manaraka ny fianarany ny minisitera.

Vonjy A.

Partager sur: