«Direction des combattants nationalistes» : miahy ireo bekotro maroholatra niady ho an’ny fahafahana

Rafitra iray eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Fitaleavana ireo mpiady tia tanindrazana na ny (DCN), etsy Analakely. Mpi­ahy ireo bekotro maroholatra niady ho an’ny fahafahana ary mikolokolo ireo vakoka mitahiry izany ity fitaleavana iray ity. Naorina taorian’ny tsirin-kevitra avy amin’Itompoko­vavy Gisèle Rabesahala, mi­nisitry ny Kolontsaina tamin’ izany fotoana izany ny holafitry ny mpiady tia tanindrazana. Ny 28 jona 1978 no nivoaka ny didim-panjakana laharana faha 78-204 nananganana ny «Direction des combattants de la révolution» izay lasa ho «Direction des combattants nationalistes». Na­nomboka ny 17 avrily 1917, araka ny didim-panjakana laharana faha-97-436 mandraka ankehitriny ka tale am-peri­nasa ny Kly Randrianante­nai­na Emil­son. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fiaro­vam-pirenena, tarihin’ny mi­nisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, ny sekretera jeneralin’ny mi­nisiteran’ny Fiarovam-pirenena io rafitra io. Ahitana sampandraharaha miisa telo ity fitaleavana ity dia ny sampandraharaha ny asa ankapobeny, ny sampadraharaha ny asa sosialy ary ny sampandraharaha ny fanadihadiana sy ny boky volamena. Misahana andraikitra toa ny fameloma-maso ny tantara mahakasika ireo hetsika sy tolona nataon’ ireo mpiady tia tanindrazana teto Madagasikara. Eo ihany koa, ny fikolokoloana sy fanarenana ireo foto-drafitrasa sy vakoka. Anisan’izany ny fa­san’ny maherifo, ireo tsangambato ary ireo toerana manan-tantara vitsivitsy any Manakara, Moramanga, An­tananarivo.

Tsiferana R.

Partager sur: