Nanatanteraka atrikasa tetsy Antanimena ireo mpikambana ao amin’ny « Conseil national des femmes de Madagascar » (CNFM), omaly. Nahafahana nitondra teny sy nifampizara traikefa teo amin’ ny mpandray anjara sy ny mpanatrika. Mba hampiroborobo ny fandraisan’ny vehivavy andraikitra sy hanapa-kevitra amin’ny fiainam-bahoaka eto Madagasikara. Nivoitra betsaka, nandritra izany, ny tokony handraisan’ ny vehivavy anjara amin’ny tontolo sy ny sehatra politika eto amin’ny firenena.
Mbola vitsy ireo vehivavy mitana andraikitra sy mitantana toerana ambony ary mirotsaka eo amin’ny sehatra politika eto amin’ny Nosy, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra, ka antony nanaovana ny hetsika. «Tokony handray anjara amin’ny tontolo politika isika vehivavy satria antoky ny fampiboroboroana sy fampandrosoana ny firenena izany », hoy ny filoha lefitry ny Vondrona Mira lenta ho an’ny fampandrosoana (VMLF), Razafindehibe Céline Nathalie. Nijoro vavolombelona sy nanoro hevitra ireo vehivavy izy mba hirotsaka an-tsehatra amin’ny fanatanterahana izany. Anisan’ny namolavola izany ny fikambanana tantaniny nanomboka ny desambra 2021 lasa teo.
Nandraisan’ny olom-pirenena maro sy ny fikambanam-behivavy anjara ny hetsika. Toy ny VMLF, ny mpanao politika, mpandinika fiaraha-monina, ny FPFE (Fédération pour la promotion féminine et enfantine)… Marihina fa no-karakarain’ny fikambanana Havoria 2 ny hetsika. Notohanan’ny Vondrona eoropeanina, alemà, governemantan’i Monaco ary ny masoivohon’i Frantsa, ara-bola.
Mino (mpianatra asa)