Eo ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana (Micc), miaraka amin’ny fanohanan’ny FAO, miara-miasa hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, araka ny fepetra iraisam-pirenena. Niarahan’ny roa tonta nanao sonia, omaly, ny tetikasa amin’ ny fanamafisana eto amin’ ny firenena ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ara-pahasalamana. Ampiasaina avokoa ny fitaovana teknika rehetra sy fepetra misy mifanaraka amin’ izany ho fiarovana ny fahasalamana araka ny zava-maniry misy sy ny zava-manan’aina, araka ny fepetra iraisam-pirenena.
Najoro ny Codex Alimentarius, raha tsorina lalàna momba ny sakafo miaraka amin’ny FAO eo anivon’ny Firenena mikambana, ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny sakafo sy ny OMS. Nofaritana ny fepetra iraisam-pirenena rehetra hiarovana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. 188 ireo firenena mpikambana nanao izany sonia Codex amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany, anisany i Madagasikara. Fandraisan’ anjaran’i Madagasikara izany amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Tamin’ny 2006, ohatra, notohanan’ny FAO ny komity momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny governemanta malagasy. Mitohy hatramin’ izao ny fiaraha-miasan’ny FAO sy ny Micc amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny tetikasa momba ny sakafo (Codex Alimentarius). Voalohany, fiantohana ny fahasalamana momba ny sakafo, ka ny tetikasa mamaritra ny fanadihadiana momba ny fepetra ho fiarovana ny sakafo ; Tohanan’ny filoha lefitry ny tetikasa ireo mitambatra amin’ny komitim-pirenena amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ; fampahafantarana ireo mpandray anjara rehetra ny fepetra tsy maintsy arahina amin’ny fanarahana momba ny sakafo.
Zava-dehibe ohatra ny fandraisana anjara amin’ny fepetra ho fanatsarana ny fiarovana amin’ny sakafo sy ny mponina, ny fifanakalozana ara-barotra ifanaovana. Fehiny : fiarovana ny toekarena .
Ndrina