KMSI : “Hojerena ny iraisana amin’ny fikaonandoham-pirenena”

“Efa miteny an’io fikaonandoham-pirenena io avokoa ny rehetra, fa inona no iraisana aorian’izao zava-mitranga rehetra izao?” hoy ny mpitarika ny Komity miaro ny soa iombonana (KMSI) sady eo anivon’ny vondrona Panorama, Ran­dria­nirina Jean-Ignace.

Misy ny fanantenana fa efa latsaka an-katerena ny firenena. Mbola misy olon-kendry ireo. Ireo raiamandrenim-piangonana. Angata­hin’ny KMSI ny FFKM hijery ny mahasoa ny firenena. Tsy haka fanjakana izy ireo, fa handamina ny fikaonandoham-pirenena.

Raha izao ny zava-mi­tranga, hanahirana ny fandaminana ny fifidianana? Na ny vola hampiasain’ny Ceni aza. Fifidianana amboletra no hatao, mankaiza ny firenena? Mandeha ila ny fikarakarana fifidianana, fa tsy maintsy hiarahan’ny rehetra mandamina. Mikaroka ny mahasoa ireo raiamandreny am-panahy ireo. Tsy sahy manapaka avy hatrany mom­ba ny fiainam-pirenena koa izy ireo. Aza hadinoina fa raha miteny ry zareo hoe ny fikaonandoham-pirenena ny an’ny mpanohitra sy ny mpiara-dia no heverina fa mahamaika azy. Fa tsy mbo­la hanatanteraka an’izany ny fanjakana. Misalasala ny FFKM ny amin’ny enti-ma­nana, hanome vola azy ve ny fanjakana sa ny any ivelany?

R. Nd.

Partager sur: