Hiatrika ny filankevitry ny fitsipi-pifehezana na « Conseil de discipline » ireo filohan’ny ligy dimy mpanohitra an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Anisan’izany ny filohan’ny ligy Betsiboka, Menabe, Vakinankaratra, Atsinanana, Ihorombe. Izany dia hotanterahina eny amin’ny biraon’ny Malagasy Rugby Ankorondrano, anio 1 marsa.
Tsiahivina fa maro ireo fitakiana nataon’ireo filohan’ ny ligy dimy ireo. Anisan’ izany ny fangatahana ny hamerenana ny fifidianana izay natao tany Toliara. Ao koa ny hanaovana ny fivoriambe tsy ara-potoana. Nilaza izy ireo fa tsy hanaiky ny fanomezan-dRamatoa Rakotozafy Rosa ny taratasy fahazoan-dalana hitantana na “cértificat de conformité” an-dRakotomalala Marcel.
Ankoatra izay, hodinihina ny sazy homena ny Cosfa taorian’ny fandavan’izy ireo tsy hanohy ny lalao famaranana ny « Super coupe Mada ». Izay nihaonan’ny ekipan’ny miaramila tamin’ny FTM Manjakaray. Marihina fa nitarika tamin’ny isa 20 no ho 15 ny miaramila tamin’io lalao famaranana izay natao teny Andohatapenaka, ny alahady 19 febroary lasa teo, io. Natolotra ny FTM Manjakaray ny amboaran’ny “Super coupe Mada 2023” sy ny lelavola 5.000.000 Ar.
Fitia (Mpianatra asa)