Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy tamin’ny fanokafana ny atrikasa momba ny serasera, tetsy Tsaralalàna fa manana tamberin’ andraikitra amin’ny vahoaka ny fitsarana. “Tokony hanao fanambarana mazava sy mangarahara momba ireo raharaham-pitsarana sy ireo didy mivoaka isika. Ao anatin’ny ezaka hanatrarana ny tanjona fitsarana manakaiky vahoaka sy azo itokisana izany”, hoy izy. Niompana amin’ny hanatsarana ny serasera eo anivon’ny fampanoavana amin’ny fampitana ireo vaovao avy eny amin’ ny fitsarana izao natao izao ka haharitra efatra andro, iarahana amin’ny AFD.
Etsy andaniny, nanotrona ny atrikasa haharitra telo andro tetsy Antaninarenina koa ny minisitra. Natao handinihana ny fampiharana ny lalàna hiarovana ireo zavaboahary eto amintsika izany ary karakarain’ny ENMG. Anisan’ny niofana amin’izany ireo mpitsara ao amin’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny olon-tsotra “Magistrats judiciaire” miaraka amin’ny ONG Traffic, ONG Durrell Wildlife Conservation ary ny «cabinet DLA Piper». Manohana izany koa ny «Bureau International des Stupéfiants et de l’Application de la Loi du Département d’Etat des Etats-Unis”.
Synèse R.