Minisitry ny Raharaham-bahiny : “Tsy miova ny tsy fiandaniantsika”

“Zavatra roa nodinihinay tao. Voalohany, ny fanambarana navoakan’ny fitondram-panjakana malagasy milaza fa tsy miova ny toe­ran’i Madagasikara. Izany hoe tsy miandany atsy na aroa”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Sylla Yvette, taorian’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny ambasaodoron’i Rosia azy, teny Anosy, afakomaly. Voaresaka tamin’ izany ny momba ny fehin-kevitra nolanian’i Madaga­sikara taorian’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Firenena mikambana (ONU), tamin’ ny 23 febroary lasa teo, ny fialan’i Rosia any Ukraine.

Mba hampivoatra ny zava-misy ankehitriny iny fanambarana iny. Jerena amin’ny solomaso ho amin’ ny tombontsoan’i Madagasi­kara sy ny soa iombonana ny diplaomasia malagasy, araka ny fanazavany. Noho izany, milaza iny fanambarana iny fa mitaky fandriampahalemana maharitra i Madagasi­kara. Satria mafy loatra ny entin’ny vahoaka malagasy amin’ny fisondrotam-bidin’ ny entana amin’io ady any Ukraine io.
50 taona tamin’ny taon-dasa ny fifandraisana diplaomatikan’i Rosia sy i Mada­gasikara. Nisy ny fanaovana jery todika ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta eo amin’ny lafiny maro. Ho hita eo ny fivoaran’izay fiaraha-miasa izay.

R. Nd.

Partager sur: