Mbola eny am-pelatanan’ ireo jiolahy mpaka an-keriny ireo takalon’aina telo nalaina an-keriny tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Morarano Chrome, ny zoma lasa teo. Omaly, nivory tao amin’ny tranom-pokonolona ny OMC niaraka tamin’ ireo mponina ao an-toerana. Nanatrika izany ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka, faritr’Atsinanana, ny kaomandin’ny zandarimaria ao Toamasina, ny lehiben’ny distrika. Nafana ny resaka. Nitondra ny fitarainana mahakasika ny tsy fandriampahalemana ny fokonolona. Ankilan’ izay, nilaza ny mpitandro filaminana fa mitohy ny fanarahan-dia an’ireo mpaka an-keriny. Manara-baovao sy mamantatra ireo dahalo sy ireo mpiray tendro aminy koa izy ireo. Tsiahivina fa nalaina
an-keriny tao an-tranony, ny zoma teo, ireo takalon’aina efatra. Tafaporitsaka nandritra izay ny lehilahy iray mpiandry ombin’ny tompon-trano. Raha mbola an-tanan’ireo olon-dratsy kosa ilay renim-pianakaviana 24 taona sy ny zandriny lahy ary ny zao-dahiny 22 taona.
Afakomaly, nanao diabe tao Morarano Chrome sady nilanja sora-baventy ny fianakavian’ireo takalon’aina. Nitaraina sy nangataka amin’ny mpitondra fanjakana, izy ireo, mba hijerena ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Henintsoa Hani