Mpitandro filaminana roa niara- namoy ny ainy tao Toamasina raha avy any Barikadimy, ny alatsinainy lasa teo.
Nanao taingin-droa tamin’ny moto izy ireo ary nihazo ny lalana mahitsy Antanandava. Nahitana kalesa tsy misy jiro maro eny amin’ny arabe. Niala izany izy ireo ka nifatratra tamin’ ny fiara mpitatitra entana iray nandeha mafy, raha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Vokany, maty tsy tra-drano izy ireo. Potika tanteraka ny loha sy ny vatany nandritra izany. Niseho tsy lavitry ny tobin’ny Tafika na Jenia miaramila ny loza.
Miaramila kilasy voalohany antsoina hoe: Razanakoto Gilbert, 34 taona ny iray. Manam-bady aman-janaka ary avy namonjy fahoriana tao amin’ny toby ao Analankinina, Hopitalibe izy. Hamonjy fodiana any Barikadimy ary nitondra taingin-droa an-dRakotondrasoa Jean Finidi, 23 taona, zandary mpianatra asa ka izao niharan-doza izao. Voalaza fa hamonjy ny asany any amin’ny “Poste avancé” Antanandava io zandary io.
Notontosaina, omaly, ny fanaovam-beloma ara-miaramila azy roa lahy. Natao tao amin’ny tobin’ny zandary sy tobin’ny Tafika any an-toerana. Hihazo an’Antananarivo anio ny vata-mangatsiakan’ ilay zandary raha hoentina any amin’ny tapany atsimon’ ny Nosy ny an’ilay miaramila. Marihina fa ahitana lozam-pifamoivoizana matetika ny lalam-pirenena faharoa hiditra an’i Toamasina raha avy any Barikadimy
Sajo sy Mino
(mpianatra asa)