Nampanantena ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny volana avrily 2022 fa horaisina mpiasam-panjakana avokoa ireo mpiasa nanome tanana nampihodina ny CTC 19 maromaro teto an-dRenivohitra tao anatin’ny fiparitahan’ny vanalaretina Covid-19. Nentanina hikarakara ny antontan-taratasy momba azy sy ny fari-pahaizany ireo mpiasan’ny CTC rehetra. Hatramin’ izao, tsy nisy tohiny ny fampanantenana ka nanao hetsika teny amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izy ireo, omaly. Nitondra ny hetahetany ho hitan’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana izy ireo. “Rehefa nangataka tolo-tanana ho an’ireo rehetra vonona hiasa eny amin’ny CTC ny filoha, tonga izahay tsy nisalasala nefa rehefa vita ny fiatrehana ny aretina dia nailika ny mpiasa”, hoy ny mpitondra tenin’ny mpiasan’ny CTC 19, Ranomenjanahary Falitiana, teny Ambohidahy, omaly. “732 ireo niasa teny amin’ny CTC nahitana dokotera, mpitsabo mpanampy, agent d’appui, mpandraharaha… ary efa nisy voaray ireo mpitsabo raha mbola miandry hatramin’izao ireo sokajin’asa hafa”, hoy ny fanamarihin’ireo nanao hetsika.
« Tsy misy valin-teny mahafapo avy amin’ny tomponandraikitry ny minisitera ka mitodika amin’ny filohan’ny Repoblika izahay. Hitohy ary hihamafy hatrany ny hetsika raha tsy mivaly ny fitakiana », araka ny nambarany.
Vonjy