Nangalatra vilany : roa lahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Na eo aza ny fisian’ny fitsaram-bahoaka, vao mainka mampirongatra ny asan-jiolahy izany ary efa tsy mifidy hangalarina intsony ry zalahy amin’izao. Halatra sy vaky lakozia no saika namoizan’izy roa ny ainy…

Haingana ny fahatongavan’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) naka ireo jiolahy roa fa raha tsy izany matin’ny fitsaram-bahoaka teny Ambo­lokandrina, Ravitoto, omaly maraina tamin’ny 5 ora sy 30 mn. Avy namaky trano ireto jiolahy ireto satria mbola niaraka tamin’ny kojakojan-dakozia maro isan-karazany toy ny vilany hatramin’ny me­naka fandrahoan-tsakafo aza hita teny aminy. Tratran’ny fokonolona ry zalahy ka saika niharan’ny fitsaram-bahoaka noho ny hatezeran’ny olona. Fantatra nandritra ny famotorana savaranonando fa tokantrano maro no lasibatry ny vaky lakozia teny Ambolo­kan­drina sy ny manodidina. Tompon’antoka tamin’izany izy roa lahy tratra ireto. Tonga ara-potoana ny polisy CSP2 ka voasoroka ny faharatrana ahina hitarika fahafatesana tamin’ireto jiolahy ireto. Nen­tina avy hatrany eny amin’ny biraon’ny polisy CSP2 Ambo­hijatovo izy roa lahy hanao­vana fanadihadiana. Nilaza izy roa lahy ireto fa mipetraka eny By-Pass sy eny Anosibe fa tonga hatrany Ambolo­kan­drina kosa mandeha mamaky trano. Nolazain’izy ireo fa eny Isotry ny mpandray ireto entana halatra ireto. Niverina indray ny fitsaram-bahoaka tato ho ato amin’ny afitsoky ny tsy fandriampahalemana. Ireo hala-boty no tena nahazo vahana indray ka antony nahatonga ny olona ho tezitra ka mitondra faisana avy hatrany izay tratra, toy ilay mpangala-katsaka matin’ny fitsaram-bahoaka tany Ambositra ny faran’ny herinandro teo.

Jean Claude

Partager sur: