Niteraka resa-be ao Sambava ny raharaha halatra nataona mpiasana tobin-tsolika ao amin’ny fokontany Antanifotsy I. “Afakomaly, niasa toy ny isan’andro io lehilahy io. Ny harivan’io, nandalo ireo mpaka vola. Nandritra izay, nangala-tsonia an’ireo tompon’andraikitra izy ka lasany avokoa ireo vola enina tapitrisa Ar”, hoy ny fanazavan’ ilay mpitantana tobin-tsolika. Fantatra fa saika harotsaka tany amin’ny banky ireo vola ireo kanefa nentin’ity mpiasa ity nitsoaka. Vokany, nametraka fitarainana teny amin’ny zandarimaria ireo voaroba. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola hita ilay lehilahy manodidina ny 26 taona voatondro ho nangalatra.
Fantatra ny momba azy ary isan’ireo mpiasa tena natokisana indrindra ity nivadika tamin’ny mpampiasa azy ity. Misokatra ny famotorana ny raharaha.
Henintsoa H.