Taolagnaro : namatsy vola famatsian-drano ny QMM

Mitentina 260 tapitrisa Ar ny toby famatsian-drano fisotro avy amin’ny orinasa QMM ho an’ny tanànan’Andrakaraka, kaominina Taolagnaro. Ao anatin’io famatsiam-bola io koa ny kojakoja fanolo ilaina any aoriana any.
Fomba fanasivanana voajanahary no entin’ity fotodrafitrasa ity, mamatsy paompy miisa telo ao an-tanàna. Mam­pihodina azy ny angovo azo havaozina avy amin’ny ma­soandro, misy takelaka 24 mi­tondra herinaratra 7,2 W. Misitraka azy ny vohitra telo ao anatin’ny tanàna. Nilaza ny tale jeneralin’ny QMM, David-Alexandre Tremblay, fa « zon’olombelona takian’ny fenitra iraisam-pirenena ny fisitrahana rano fisotro madio. Izay no antony nanohanan’ny QMM ny tetikasa, amin’ny maha orinasa tompon’ andraikitra sy manome lanja ny maha olombelona azy».
Naharitra dimy volana ny asa, nataon’ny orinasa Ener­gis Fort Dauphin. Nanome maimaim-poana ny tany nanorenana azy ny mpiara-monina iray, Miha Maurice. « Anjara birikiko hanatsarana ny fahasalaman’ny mpiara-belona izany ary isaorako ny QMM koa », hoy izy.
Eo andalam-panorenana koa ny toby famatsian-drano toa ity any amin’ny tanànan’ Emanaka ity.

Njaka A.

Partager sur: