Mbola mitohy ny fikarohana ataon’ny polisy ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ilay fanafihana tokantrano iray ao Toamasina an-tampon-tanàna. Jiolahy telo indray voasambotry ny polisy ny faran’ny herinandro teo nandritra ny fanafihana mitam-piadiana tao amina tokantrano iray. Lasan’ireo mpanafika ny entana sarobidy rehetra tao an-trano nandritra ity fanafihana ity. Na teo aza izany, afaka niantso ireo polisy miasa ao Toamasina ihany ireo niharam-boina taorian’ izay. Nanao fanarahan-dia ny polisy ka tratra ihany ireo mpanafika niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana. Tratra tany amin’izy ireo koa ny entana avy nangalarina tao amin’ilay tokantrano voaroba. Natolotra ny sampandraharahan’ny SUT Toamasina ny raharaha hanohizana ny fanadihadiana ireo jiolahy . Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa isan’ireo mandray anjara amina fanafihana mateti-pitranga ao Toamasina ry zalahy ireo.
J.C