Vict’art : hanomboka anio ny ranty

Misokatra manomboka anio, eny amin’ny Ivokolo Analakely, ary tsy hifarana raha tsy ny 17 avrily 2023 ny varotra fampirantina hanehoana ny haikanton’i Vict’Art. “F Ames iniste” no lohatenin’ny fampirantina ary lohahevitra voizina mandritra izany. Fiaraha-miasa amin’ny Office national des arts et de la culture (OFNAC) izy ity. Ity ivontoerana ity izay manana an­tom-pisiana amin’ny fanandratana ny kolontsaina sy fiantsorohana ny mpanao haikanto malagasy, na ny vao misandratra izany na ny efa sangany.
Tanora vao misandratra misehatra eo amin’ny fanaovana haikanto hosodoko i Vict’ art. Amin’ity hetsika varotra fampirantina ity. Somary ma­nome lanja sy momba ny vehivavy avokoa ny asa tanan’ i Vict’art. Izany indrindra no nisafidianan’ny mpikarakara sy tompon’andraikitra azy amin’izao ankatoky ny andron’ ny vehivavy izao.

Fanomezan-danja ny vehivavy sy ny tontolony ary ny fomba amam-panahiny no an­ton’ny fampirantina.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: