Aft Andavamamba : manomboka ny rantin’i Toni Haddad

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, teny amin’ny Alliance française d’An­tananarivo, Aft Andava­mam­ba, ny fampirantina sary ataon’i Toni Haddad. “Voya­ges des déchets” no lohahevitra hovoizina mandritra ity hetsika ity. Fiaraha-miasan’ny Aft Andavamamba sy ny WHH Madagascar- Welthun­gerhilfe ary ity mpaka sary ity no nahatanterahana an’izao fampirantina izao. Mandritra ny 8 andro no hanatanterahina ny hetsika. Sary maneho ny fiparitahan’ny fako sy voka-dratsiny eo amin’ny tontolo iainana no haranty mandritra izany fotoana izany.
Tetikasa an-tsarin’ny WHH Madagascar-Welthun­gerhilfe ny “Voyages des déchets”, niarahany niasa tamin’i Toni Haddad, tanora mpaka sary avy any Liban. Naseho an-tsary ny fiparitahan’ny fako, sy ny tsy tazan’ny mason’ny olona noho izany fiparitahana izany, mba hahatonga saina azy ireo. Mbola hisy ihany koa ny atrikasa mahakasika ny fanodinana ny fako ho fitaovana azo ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: