Lehilahy telo sy ramatoa iray indray voasambotra noho ny fisiana vaky trano tao Ambanimaso, kaominina Ambatolampy, ny atoandron’ny 26 febroary teo. Nandeha nivavaka ny tompontrano, nidiran’ny tovolahy roa ny tokantrano iray. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola nitentina 1 060 000 Ar. Niverina nody, akory ny hatairan’ireo tompontrano tsy nahita intsony ny volany. Nanao fitarainana teny anivon’ny zandary avy hatrany izy ireo. Naka alika mpitsongodia ahafahana misambotra ireo olon-dratsy. Nitokona teo amin’ny tranon’ny jiolahy iray nampiantrano ireo namany anefa ny alika. Natao ny famotorana ka nibaboka ny anaran’ireo namany io jiolahy io. Nidina ifotony nisambotra ireto voatonona anarana ny zandary. Nafenin’ny reniny izy roa lahy. Voasambotra ihany ry zalahy ka nentina nanaraka azy ireo io reniny io. Rehefa natao ny famotorana, niaiky ny heloka vitany ireto mpamaky trano ireto.
Efa nividianan’izy ireo telefaonina avo lenta miisa roa ny ampahan’ny vola. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ireto mpamaky trano ireto.
Tsiferana R.