Ambatondrazaka-Amparafaravola : mihatra ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina

Voarara ny fivezivezena manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina ao amin’ny distrikan’ Ambatondrazaka sy Ampara­faravola. Io ny didy navoa­kan’ny préfet Ambatondra­zaka. Nihatra nanomboka ny talata teo ny tsy fivezivezena amin’ny alina ao an-toerana. Voa­sazy, araka izany, ireo rehetra minia mandika ny lalàna napetraka. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola mitohy ny fanarahan-dia
ataon’ny mpitandro filaminana an’ireo dahalo mpaka an-keriny. Misy ny vaovao arahina momba izany saingy tsy mbola misy ny voasambotra. Nanomboka ny talata teo, efa nahetsika avokoa ny mpitandro filaminana ao an-toerana hatrany Toamasina manao ny famotorana sy manara-dia ity tragana fakana an-keriny ity

Tsy mitsahatra
Mitohy hatrany koa ny antso ataon’ireo dahalo mpa­ka an-keriny mitaky ny vola 200 tapitrisa Ar. Manomboka manaraka izay koa ny famatarana an’ireo jiolahy nahavanon-doza. Ao koa ireo izay mety ho namany sy mpiray tendro aminy rehetra. Anki­lan’izay, mbola ao Morarano Chrome avokoa ireo mpitandro filaminana sy ireo tom­pon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny.
Fantata fa efa intelo niharan’ny fakana an-keriny ireto fianakaviana avy ao Ambo­himanarivo ireto. Niafara ta­min’ny famoizan’aina izany. Antony mahatonga azy ireo manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana. Isan’ ireo mpanangom-bokatra ma­tanjaka ao an-toerana ity fianakaviana ity ka hanampa­ran’ireo dahalo ny asa ratsiny. Tsiahivina fa ny alin’ny zoma teo no niditra an-keriny tao amin’ireo tompontrano ireo dahalo. Naka ireo takalon’aina efatra raha tafaporitsaka kosa ny iray. Taorian’io, na­nao diabe tao Morarano Chro­me ny havan’ireo nalaina an-keriny sady nangataka ny hijerena ny tsy fandriam-pahalemana nahazo vahana tao anatin’ny fotoana fohy. Afakomaly, nivory tao amin’ny tranom-pokonolona ny mpitandro filaminana sy ny mponina nandinika sy nitady vahaolana momba ny tsy fandriam-pahalemana.

Henintsoa Hani

Partager sur: