Noraisim-potsiny ! Tratran’ ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3), omaly, ny jiolahy mpanendaka sady mitondra antsy lava eny amin’ny faritra Ambatomitsangana Ankadifotsy. Tsy niandry ela ny polisy fa nandray andraikitra avy hatrany raha vao naheno ny fitarainana nataon’ireo mponina eny Ambatomitsangana Ankadifotsy momba ny fisian’ireo mpanendaka mitondra antsy lava mampihorohoro indrindra ireo mandeha an’elakela-trano. Nisy ny fanaraha-maso nataon’ny polisy manao fanamiana sivily teny amin’iny toerana iny. Nahitam-bokany izany satria tratra ny jiolahy iray niaraka tamin’ny antsy lavalela teo am-panendahana ramatoa senda nandalo tamina elakela-trano iray. Mbola tratra teny amin’ity jiolahy ity ny telefaonina finday avolenta an’ilay ramatoa. Efa naverina amin’ ny tompony ny fananany.
Mitohy ny fanenjehana ireo namany mpiray tsikombakomba aminy.
Jean Claude