Mihamitombo sady mihamafy ny fitakian’ny mponina ny hanokafan’ny fanjakana ny orinasa Base Toliara. Anisan’izany ny foko Antandroy, maro an’isa any amin’ny toerana hisian’ny tetikasa, mivondrona ao anatin’ny Fikambanana terak’Androy (Fitea), tafavory marobe tany Andaboly.
Eo am-piandrasana ny fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana ny mponina any Toliara. Toerana manana harena voajanahary tsy tambo isaina, toy ny harena ambanin’ny tany. Mahatsapa, ankehitriny, ny mponina any atsimo, fa mikatso tanteraka ny fampandrosoana hatramin’ny nampiatoan’ny fanjakana ny orinasa Base Toliara.
Tokony hitondra fiovana ho an’ny faritra Atsimo Andrefana ny fisian’ny orinasa vaventy toy ny Base Toliara. Hihena ny tsy fananan’asa sy ny tsy fandriampahalemana, hitombo ny fotodrafitrasa sosialy (sekoly, toeram-pitsaboana, rano fisotro, herinaratra,…), ny hetra sy ny tamberim-bidy. Mifanjohy ny feon’ireo mponina mitaky hanokafan’ny fanjakana indray ny orinasa sady mitombo mihamaro izy ireo.
Nivory ary tonga marobe ny mpikambana ao anatin’ny Fikambanana terak’Androy (Fitea), ny 26 febroary 2023 teo, tany Andaboly, natrehan’ny mpanao gazety. Takin’izy ireo ny hisian’ny fampandrosoana sy ny famoronana asa ho an’ny tanora. Mankatoa tanteraka ny tetikasa Base Toliara ny mponina.
Asa tsy mendrika ny fitarihana posy bisikileta
Notsorin’i Bona, filohan’ny Fitea Toliara, fa «angatahinay ny hanokafan’ny fanjakana indray ny Base Toliara, satria tsy misy ny maha samy hafa azy amin’ny QMM sy ny Ambatovy».
Vahaolana ho an’ny foko Antandroy amin’ny tsy fisian’ ny asa ity tetikasa ity. Resy lahatra izy ireo fa hitondra fampandrosoana ho an’i Toliara. Asa tsy mendrika ny fitarihana posy bisikileta, hany hitan’ny tanora nefa kely karama sady tsy mahavelona.
Nilaza i Eolisoa, olobe ao amin’ny Fitea, fa «nivory izahay androany, satria mahatsapa ny zava-misy ny tanora mpikambana ato aminay. Sady tonga saina amin’ny tsy fisian’ny asa, ka lasa mirenireny fotsiny sisa. Vahaolana ny Base Toliara, rehefa hiverina hisokatra ity orinasa ity. Hihena ny tsy fandriampahalemana, ary hisy ny fampandrosoana. Tokony haverina hisokatra koa ny orinasa hafa taloha nikatona».
Njaka Andriantefiarinesy