Nanatanteraka ny adidiny fambolen-kazo ny faritra Anosy, ny faran’ny herinandro teo, tany Andakana, distrika Betroka. Miisa 30.975 ny zanakazo voavoly tamin’ny velaran-tany 40 ha tamin’izany.
Nandray anjara daholo ny tomponandraikitra samihafa any an-toerana, ny mpiasan’ny fitantanam-paritra isan-tsokajiny ao amin’ny distrika Betroka, ny mpitandro filaminana, indrindra ny fokonolona.
Nentanina ny rehetra hanara-maso sy hiaro ny zanakazo nambolena, sy ny tontolo iainana ankapobeny. Tsiahivina fa Madagasikara rakotr’ala ny tanjona.
Torak’izany koa, miisa 23.000 ny zanakazo nambolen’ny faritra Alaotra Mangoro tamin’ny velaran-tany 10 ha, tany Manakambahiny Atsinanana. Niara-nientana nanatontosa izany ny fitantanam-paritry ny tontolo iainana (Dredd) Alaotra Mangoro, ny mpiara-miombon’antoka (Conservation international, ONG Amades, Foibe Fafiala, ONG Taotsara), ny mpitandro filaminana ary ny fokonolona.
Njaka A.