« Concert classique de midi » : hanjaka « Recital de piano »

Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-137 ny «Concert classique de midi», karaka­rain’ny Madagascar Mozar­teum sy ireo mpiara-miasa aminy. Hiavaka ny amin’ny talata 7 marsa izao satria ireo tanora nandrombaka ny laharana tsara indrindra tamina fifaninanana fahaiza-mitendry piano no hiaka-tsehatra ma­nomboka amin’ny 1 ora tolakandro tsy diso, etsy amin’ny Institut français de Mada­gascar(IFM), Analakely.
I Manohisoa Rasamoelina sy i Nathanael Enoc Andria­niaina ary i Mbolamamy Sergio Randriamihoatra no hamelona indray ny sanganasan’i Johann Sebastian Bach, Ludwig Van Beethoven, Fré­deric Chopin, Sergueï Pro­kofiev.
Anisan’ny tombony lehibe nananan’ny tontolon’ny mo­zika klasika maneran-tany ny fahaizan’ireo mpamorona ireo ny solfezy. Voarakitra an-tsoratra avokoa ny sanganasan-dry zareo. Tsy tazana loatra teo amin’ny mozika malagasy ny endrika tahaka izany, hany ka maro ny hira malagasy no niovaova be vao tonga amin’izao endriny ankehitriny izao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: