Manana andraikitra lehibe amin’ny fiainan’ny olombelona sy ny biby ny faritra mando. Mamatsy ny rano sy ny sakafo, manadio ny rivotra, miaro ny tontolo mananaina, sns. Anisan’izany ny ala honko, toerana fonenan’ny makamba, ahitana 532 kilao isaky ny hekitara. Tandindomin-doza ny faritra mando, ankehitriny. Araka ny antontanisa navoakan’ny fikambanana iraisam-pirenena WWF, ringana ny 35%-n’ny faritra mando maneran-tany tato anatin’ny 50 taona farany. Ringana koa ny 25%-n’ny biby miaina ao aminy.
Mihazakazaka izany, satria avo telo heny miohatra amin’ny fahapotehan’ny ala. Mahatonga izany ny ataon’ny olombelona, toa ny fanorenan-trano, ny fanotofana tany, toy ny eto Antananarivo sy ny manodidina, ny fanjonoana tafahoatra. Eo koa ny fako an-tanàn-dehibe, toy ny an-dRenivohitra ihany koa, sady miteraka loto.
Njaka A.