Tonga hatrany ifotony ny toromariky ny mpitantana ny antoko Tim. Miezaka manentana ny olom-pirenena hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ireo mpikambana eny anivon’ny rantsa-mangaika. Anisan’ny nanao izany hetsika izany ny tanora Tim any Toliary, ny faran’ny herinandro teo. Nanentana ireo tsy mbola voasoratra, hanatona ny biraon’ny fokontany. Tahaka izany koa ny tany Nosy Be ka niditra mivantana an-telefaonina tamin’izany ny mpanorina ny antoko, Ravalomanana Marc. Voaresaka ny hampiroboroboana ny antoko. Teo koa ny tany Ambanja. Tsy vitan’izany anefa fa nanao asa sosialy izy ireo. Anisan’izany ny tao amin’ny kaominina, Antranonkarany, ka nanampiana ny Toby FJKM, mitaiza ireo marary saina. Nisitraka vary, savony, sira, akanjo… ireo olona maherin’ny 60 amin’izany toerana izany.
Tatitra sy ny fiainam-pirenena
Manolotra fampianarana teny Anglisy maimaim-poana ao amin’ny biraon’ny «Association Ny Andraina”, Ambatolampy Ambohimanarina kosa ny depiote Andriampandry Todisoa.
nandinihana ny hampiroboroboana ny antoko sy ny fanentanana ny olom-pirenena hiditra ao anaty lisim-pifidianana.
Etsy andaniny, namory ireo olom-boafidy, ny komitim-pokontany rehetra sy ny lehiben’ny sampandraharaha ao amin’ny kaominina Ambato, Ambohidratrimo ny depiote Rabenirina Mamy. Nanao tatitry ny fivorian’ny Antenimiera farany teo sady nandinika ny fiainam-pirenena izy ireo. Nitohy amin’ny fihaonana amin’ ireo tompon’andraikitry ny antoko Tim sy ny fanavaozana ny lisitry ny mpikambana izany avy eo.
Synèse R.