Misokatra indray ny kariera Béryl, ao Andilana Avaratra, distrikan’Amparafaravola. Tsipahin’ny fokonolona izany ka manambana hidina an-dalambe indray izy ireo anio.
Araka ny loharanom-baovao iray, taorian’ny fivorian’ny fokonolona omaly, hidina an-dalambe, hanotrona ireo namany nampanantsoina eo anivon’ny mpitandro filaminana Ambohivory, momba ny raharaha kariera Béryl Andilana Avaratra ny fokonolona, anio. “Misy olona avy any Andilana nampanantsoina eo
amin’ny efatra na dimy eo”, hoy ny eo anivon’ny zandary. Fanakorontanana vokatry ny hamamoana no antony.
Tsiahivina, fa sady nivory no nanao fanangonan-tsonia ny fokonolona sy ny tangalamena ao an-toerana, nanomboka ny zoma 24 febroary 2023. Nidina an-dalambe nilanja sora-baventy, ny ampitson’io. Nihazo ny kariera izy ireo. Notetezina tamin’izany, ny trano sekoly sy ny hopitaly izay tsy nisy fivoarana. “Nahatratra 5 pejy ny sonia voaangona tamin’izany”, araka ny loharanom-baovao.
Manoloana ny tsy fisian’ny tamberina andraikitra amin’ny fisian’io kariera io no nampiaka-peo ny mponina. Nohamafisin’ny mpanao fitakiana fa tsy tokony hosokafana ny kariera. “Tsy hanaiky na inona na inona taratasy ahafahana miditra ny kariera an’Andilana”, hoy ny solontenan’ny fokonolona, mitsipaka ny fitrandrahana. Nohamafisin’ny loharanom-baovao avy any an-toerana, fa tsy nisitraka tamberin’andraikitra tamin’ny vokatra avy ao amin’ny kariera ny any ifotony.
Nisy ny fakana ny hevitry ny mpitandraka, saingy nilaza ho tsy afa-miteny na inona na inona ny solontenan’izy ireo.
Noroahin’ny fokonolona…
Nampiaka-peo ny fokonolona ka niezaka nandresy lahatra ny mponina tao an-toerana ny solontenan’ny mpitrandraka. Nilaza fa hanavao ny trano sekoly ao anatin’ ny fokontany izy ireo. “Noroahin’ny fokonolona ireto solontenan’ny mpitrandraka”, hoy ny loharanom-baovao. Mitaky ny tsy hikitihana na tsy hanokafana indray ny kariera ny mponina. “Izay ihany ny vahaolana”, hoy izy ireo.
Tsiahivina, efa nikatona taorian’ny fisian’ny faty olona tao Andilana Avaratra. Nidina ifotony namaha ny olana ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharan-karena stratejika tamin’izany fotoana, ny volana jona 2021. Niara-nidinika ireo tomponandraiki-panjakana sy ny Tangalamena ary ireo mpikirakira sy mpividy vato tao an-toerana.
Voaresaka tamin’izany ny fametrahana ny bokin’andraikitra ho an’ireo mpitarika vondron’olona hiasa eny
amin’ny kariera. Nodinihina koa, ny fametrahana toerana iray hamarotana ireo vato sy ho fanaraha-maso ny kalitao ary ny vidiny kanefa tsy nisy tanteraka.
Misy ny mpandraharaha nahazo fahazoan-dalana, ankehitriny. Niverina nisokatra ho azy ireny ny kariera. Tsy nahafaly ny vahoaka izany. Miafara amin’ny fidinana an-dalambe ataon’ny fokonolona izao.
Tsiferana R.