Masoivohon’i Rosia: mikendry ny fandriampahalemana any Ukraine

Manoloana ny ady any Ukraine. Mitandro ny hisian’ny filaminana maharitra any an-toerana ny masoivoho Rosianina eto Madagasikara. Mba hitandroana ny fandrianam-pirenena sy ny fandriampahalemana.

Nandray fanapahan-kevitra ny masoivoho rosianina eto Mada­gasikara mikasika ny ady any Ukraine, omaly. Fa manohana ny hisian’ny fandriampahalemana feno sy marina ary maharitra any an-toerana izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny sata mifehy ny Firenena Mikambana,tapaka nandritra ny fivoriam-be, andiany faha 11, natao ny 23 febroary lasa teo izany. Tanjona ny hisian’ ny fandriampahalemana ma­haritra.

Manohitra ny firenena tandrefana

Maro ireo firenena manohitra izany tsangan-kevitra tapaka izany. Anisan’izany i Chine, Inde, Afrika Atsimo ary indrindra ireo firenena tandrefana. Mitady hevitra hanamelohana ny famahana ny toe-draharaha any an-toerana izy ireo. Ka milaza fa tsy ampy ny antontan-taratasy naroso. Toy ny fifampiresahana, antso fifampiraharahana ary manohitra ny tsy tokony hamatsiana fitaovam-piadiana any amin’ny faritra miady.

Manoloana ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo firenena samihafa ireo. Mampiasa ny fomba rehetra hitarihana ireo mpanohitra i Etats-Unis. Mba hampiroborobo ny tetikasa amin’ny fanapahan-kevitra mba hisian’ny fandriampahalemana. Hialana amin’ny fakana an-keriny sy fandrahonana samihafa.
Marihina fa hanohy ny asa fampandrosoana sy hamaha ny zava-misy ao Ukraine sy ny manodidina ny firenena rosianina araka ny fanambarana nataon’izy ireo. Mba hi­tan­droana ny fiarovam-pirenena.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: