Paylp Alumni All-Star : Malagasy roa lahy hiofana any Etazonia

I Fenomanantsoa Mandre­sy sy i Makavelo José, teratany malagasy roa voafantina hisitraka ny fandaharanasam-piofanana momba ny fahaiza-mitarika hatao any Etazonia na ny “Paylp Alumni All-Star”.
Ny Paylp dia fandaharanasa tohanan’ny departemantam-panjakana amerikanina misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina ary tantanin’ny Meridian International Center.
Mampifandray tanora avy amin’ny firenena 36 aty Afrika amin’ny alalan’ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy fiofanana momba ny fandraisana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina ny Paylp.
Ny “Paylp Alumni All-Star” indray dia manandratra ireo maintimolaly mamiratra indrindra ka manome azy ireo fiofanana momba ny fahaiza-mitarika sy fampandrosoana any Etazonia mandritra ny roa herinandro.
Anisan’ireo maintimolaly mamiratra indrindra, araka izany, ireto tanora malagasy voafantina ireto ary misolo tena an’i Madagasikara any Etazonia mandritra io fivahinianana io.
Nisantarana ny dian’izy ireo ny fanomezana torolalana tao Washington DC mialoha ny fanatrehany ny fiofanana tao Burlington, Vermont. Na­na­raka ny fiofanana momba ny fahaiza-mitarika ary nandray anjara tamin’ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy firotsahana an-tsitrapo ihany koa izy roa lahy…
Hamaranan’izy ireo ny fiofanana ny fifampizarana ny drafitrasa fampiharana ireo traikefa azony amin’ireo mpamolavola ny fandaharanasa miaraka amin’ireo mpandray anjara hafa niaraka taminy. Afaka manao fangatahana famatsiam-bola hahafahany manohana ny fandaharanasany eto Madagasikara ihany koa izy roa lahy ireto.

Tatiana A

Partager sur: