Rabary Paul : “Efa tena latsaka lalina ny firenena matoa resahina ny sosialim-bahoaka”

Aiza ho aiza ny hoe sosialim-bahoaka amin’izao zotram-pifidianana izao? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina izay minisitry ny Fanabezanam-pirenena teo aloha, Rabary Paul: “Efa tena latsaka lalina ny firenena matoa resahina ny sosialim-bahoaka” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny mpanohitra amin’izao zotram-pifidianana izao?
Rabary Paul (-): Toy ny eo amin’ny fitondrana ihany ny mpanohitra, miezaka mametraka kajikajy sy tetika handresena amin’ny fifidianana. Inona no maharatsy an’izany amin’ny ma­ha mpanohitra azy? Anja­rany ny miezaka hiakatra na hiverina eo amin’ny fitondrana amin’ny alalan’ny fifidianana. Ny fifidianana ihany no hahazoana manendry mpitondra sy eken’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena hahazoany manampy an’i Madagasikara. Taom-pifidianana izao: taonan’ny fanehoan-kevitra sy adihevitra, taonan’ny politika…

* Manoloana an’izany, mety hilamina ve ny fifidianana?
– Ny fahitan’ny mpanao politika ny fizotran’ny fifidianana sy ny fandraisany ny voka-pifidianana no mety hahitana olana eto Mada­gasikara. Vonona ho resy ve ny mpanao politika malagasy? Ao anatin’izay na ny mpitondra na ny mpanohitra. Tsy misy adihevitra aloha ny hoe handresy, fa samy mieritreritra ho manana fahamarinana. Rehefa tsy mahazaka faharesena izy, mitarika korontana.
Tsy misy antoka izao ilazana hoe hilamina ny mpanao politika. Miankina amin-dry zareo izay, miankina koa amin’ny vahoaka hikorontana na tsia. Na mitarika aza ny mpanao politika ka tsy mihetsika ny vahoaka: hisy inona moa eo? Raha efa misy lonilony sy disadisa, ohatra, ny vahoaka, efa misy tsy fahatokisan’ny maro… Ny vahoaka no tompon’ny fanalahidy ny amin’izay. Mitarika ny vahoaka hatrany ny mpanao politika: indraindray, mety: taona 1991, 2002, 2009, 2018… Indraindray, tsy mety izay.

* Ny fahitanao ny sosialim-bahoaka hoe laharam-pahamehana amin’izao?
– Tsy tokony ho adihevitra ny sosialim-bahoaka. Matoa resahina izany, efa tena latsaka lalina ny firenena. Tsy mbola re izany sosialim-ba­hoaka izany tamin’ny Repo­blika I sy II; eny, na tamin’ny Repoblika III aza. Tany amin’ny taona 2007-2008, nitenenan’ny olona ny tokony hijerena ny ativilaniny. Nanom­boka taona 2014 no nivoaka ny hoe sosialim-bahoaka. Efa tsy tafavoaka amin’ny fiainana andavanandro ny vahoaka no mahatonga an’izay resaka izay. Miandry izay tolotolotra sy fanomezan’ny fitondrana… Matoa miresaka an’izay isika, porofo izany fa potika ny firenena.
Propangady avokoa ny resaka politika. Ny fitaovana sy ny enti-manao azy no samy hafa: ao ny mitondra hevitra, “tee-shirt”, mpahaikanto, sa­kafo… Ao anatina politika ny propangady, fa inona ny fitaovana anaovana an’izay? Re­hefa tonga any amin’ny vola sy ny entana ilaina andavanandro mbamin’ny “tee-shrit” ny fitaovana anaovana propangady, miala ao anatin’izany ny adihevitra, ny foto-kevitra, ny fandaharanasa, ny fampandrosoana… Fa fitaizana ny vahoaka hijanona ao anatin’ny fahantrana sisa ny propangady. Efa potika ny firenena, ka any sisa no ahazoana misintona vahoaka amin’ny politika. Efa maripana izany fa tsy tafavoaka intsony… Be dia be ny azo atao sy tokony hatao amin’izany, fa tomponandraikitra ny mpanao politika: na miandry aza ny vahoaka ka tsy misy manome, tsy hiandry intsony izy.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: