Razafiarison Laza : “Am-bavaloza isika amin’izao fotoana izao”

Miala nenina ? Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Tambaben’ny olom-pirenena nampiraisin’ny andraikitra – Tolona na ny Rassemblement des citoyens responsables fa mandalo fotoan-tsarotra ny firenena. “Maro ireo fihantsiana ady sy korontana hi­tranga noho ny fahasorenana sy alahelo ateraky ny tsy fisian ny rariny sy ny hitsiny intsony. Tandremo ny fihetsika na fiteny fa efa am-bavaloza isika izao”, hoy Razafiarison Laza.
Nanentana ny olom-pirenena tsy ho mora fitahana na hanaiky hatao fitaovana hiteraka fankahalana na handray anjara amin’ny hetsika fanimbana ny fiarahamonina, efa marefo ny “Tolona”. Fadio ny mivoy fankahalana olona na firazanana na volon-koditra na fivavahana na antoko na noho ny fironan-kevitra… “Tsy ho mora ny hanarenantsika ny fahavoazana aoriana kely”, hoy ihany izy ireo.

Samia mitandrina

Niantsoany ny rehetra ny hitehirizana ny fihavanana fa tsy nitondra inona teto ny fivoizana andriana na andevo na hova na “Cotier” na merina na “Secte” na fiangonan-dehibe… Tsy nitondra fahatsarana teto ny fanavahana an’ireo fa ato anaty sambo iray isika ka na miaraka rendrika na miara-tafita, araka ny nambarany hatrany.
Natsidiny fa hiditra anaty tontolon’ny fifaninanana politika isika ato ho ato . Samia mitandrina fa miainga any ny fampirisihana ho amin’ny fankahalana ny hafa. “Aza mandray anjara amin’ny fanaovan-dratsy ny hafa sy atao fitaovana hanimba ny fiai­nan’ny hafa”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: