Tena mampiteny ny moana ! Tsy mitsahatra miakatra ny vidim-piainana. Saika isan’andro no miovaova ny sora-bola amin’ny vidin’entana miranty eny an-tsenakely rehetra eny. Tsy hay lazaina ny vidim-bary, ny vidin’ny kojakoja ilaina andavanandro. Azo lazaina fa mizaka ny tsy eran’ny aina tokoa ny vahoaka malagasy. Mihinan’ny tsy fihinana ara-bakiteny. Miova hatramin’ny foto-tsakafo. Zara raha mihinam-bary, fa mihazakazaka any amin’ny « pate » amin’ny 300 na ny 500 miaraka amin’ny ron-dasopy be vitsinina na tsiro simika. Zava-dehibe ny mijoro sy tsy matin’ny hanoanana dia ampy.
Mazava ho azy, misy fiantraikany lehibe amin’ny fahasalamana izany. Firifiry ny olona folaka an-dantony, maty tanora noho ny fahatsentsenan’ny lalan-dra. Indrisy anefa, sarotra koa ny fanavotan’aina, noho ny fidangan’ny saram-pitsaboana sy ny vidim-panafody. Tsy maintsy sintonina ombieny ombieny ny lakolosy fa latsaka an-katerena ny sosialim-bahoaka. Miha mangitsokitsoka ny halalin’ny fahantrana eto Madagasikara.
Tsy vahaolana petatoko intsony no ilain’ny vahoaka, fa ilay fandraisana andraikitra maharitra. Sady mahasoa no mahafinaritra ny hetsika etsy sy eroa, tarihin’ny fitondram-panjakana. Saingy andrasana izao ny fanatanterahana ilay filamatra amin’ny hiram-pirenena hoe «hiadana sy ho finaritra ! E, sambatra tokoa izahay.»
Iza anefa no hanao izany ? Oviana koa no hahatrarana ny tanjona ? Samy mbola any anaty nofinofy daholo ny rehetra. Miraviravy tanana, toy ny bibilava nosinambotra ankizy, ka tsy tanana handrangotra na tongotra hitsipaka. Tsy manana hery hoenti-manohitra ny adim-piainana. Ny fotoana hitadiavana ny hohanina sy ny mba hitafiana aza efa tsy ampy intsony. Raha mba hihetsika sy hanao fitakiana koa, tsy misy mpitarika. Izay milaza fa miaro ny tombontsoam-bahoaka manohitra ny fitondrana efa mpitondra voky sy tsy nahatsiaro ny vahoaka tamin’ny fotoan’androny avokoa.
Inona moa izany ? Toy ny rafotsibe very laona ny vahoaka malagasy, miandry izay higadonany fotsiny. Tsy afaka manao na inona na inona fa miaritra ny tsindry isan-karazany.
Zava-dehibe anefa ny fijoroana, miady amin’ny tsy rariny, saingy sarotra raha ho an’ny vahoaka malagasy tsy vakivolo aloha hatramin’izao.
Ny fahatongavan-tsain’ny mpitondra fanjakana, ny fahendren’izy ireo mba tena miasa ho an’ny vahoaka sisa andrasana. Ankoatra izay, farafanantenana ny fahaizana mifidy izay hitondra ity firenena ity. Mazava ho azy, mandra-pahatonga izay, mila mandeha misoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Iza tokoa no mahita, raha mba hisy fahagagana amin’ny fifidianana manaraka ho avy izao ! Fa mandra-pahatonga izany, samia manavotra ny ainy…
r.r