Sehatra iray fihariana : hita ny fivoaran’ny jono indostrialy

Hatramin’ny 1967, efa nisy teto Madagasikara, in­drindra tany amin’ny tapany andrefana ireo karazana sambokely mpanjono makamba. Nandritra ny 40 taona mahery, nivoatra hatrany izany sehatry ny jono an-dranomasina izany tany avaratra sy avaratra andrefana. Ny vokatra ma­kam­ba, ohatra, namepetra ny lafiny toekarena sy ny lafiny ara-bola teto amin’ny firenena, raha ny fanadihadiana nataon-dRandrianasolo, 1998.
Maro ny adihevitra mitaky fifanakalozana eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina mitrandraka ny tetikasa. Hita ny fivoaran’ny jono indostrialy (faritra fanjonoana, fitaovam-panjonoana…) naseho ho fantatra. Ampiasana ireo fitaovana ireo ho fampahafantarana ny tena karazana jono azo atao. Nampahafantarina koa ny karazan-jono tranainy, izay manana ny toerany.

Ferana 500 CV
Mivoatra sy nampahalalana daholo ireo karazan-jono ireo eo amin’ny fitaovana sy ny fomba fanao. Ohatra, jono nentim-paharazana mampiasa tongotra, na lakana mandeha amin’ny milina na tsia. Jono tranainy, mampisy milina amin’ny lakana latsaka na mitovy amin’ny 50 CV. Ary jono indostrialy, indrindra manjono makamba ahitana milina mihoatra ny 50 CV ary ferana 500 CV.
Manana fahazoan-dalana amin’izany avokoa ireo karazan-jono ireo, mihoatra ny 50 CV amina faritra iray voafetra ihany. Ny latsak’izay kosa mahazo manjono amin’ny faritra akaiky azy. Enga anie tsy an-taratasy fotsiny ireo fepetra fiarovana ny jono hatramin’izay. Raha izay, maty antoka fotsiny ny fire­nena.

Ndrina

Partager sur: