Ho betsaka ny rotsak’orana amin’ny faritra sy distrika maro eto Madagasikara manomboka ny zoma izao. Vinavinaina hatramin’ny alatsinainy hoavy izao izany, araka ny fampitam-baovaon’ny sampana foibe mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Mety hiteraka fiakaran’ny rano miandrona sy ny renirano izany. Nahazo fampitandremana ny faritra maro eto amin’ ny Nosy manoloana izany. Filazana fampitandremana miloko mavo ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Filazana fampitandremana miloko maitso ho an’ny faritra Boeny, Ihorombe, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, ny distrikan’i Besalampy, Maintirano, Antsalova, Morafenobe, Belo Tsiribihina, Morondava, Manja, Analalava, Antsohihy ary Port-Berger.
Iangaviana ny mponina mipetraka eny amin’ny faritra ahina hiakaran’ny rano sy ny toerana iva. Mba hitandrina sy hanaraka ny toromarika avy amin’ny manam-pahefana sy ny tompon’andraikitra tsirairay. Hisorohana ny loza mety hiseho, araka ny fanambarana voaray hatrany.
Mino (mpianatra asa)