Tsenan’Ankazobe : dahalo telo maty voatifitry ny miaramila

Nirefodrefotra indray ny basy nandritra ny fifandonana teo amin’ny dahalo sy ny miaramila ZDS Ikopa, tao An­ka­zo­be, afakomaly. Maty rotiky ny bala ny dahalo telo lahy nan­dritra ny fifandonana. Ara­ka ny fampitam-baovao voaray, nandritra ny fisafoana fanao mahazatra nataon’ireo miaramila no nahatrarana ireto dahalo ireto. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny miaramila amin’ny fampandrian-tany amin’iny faritra Ankazobe iny mba ho fitandroana ny fandriampahalemana. Maro ireo olona mikaikaika sy nametraka fitarainana tany amin’ny mpitandro filaminana amin’ny hafitsoky ny asan-dahalo. Manoloana izany, nandray fepetra mifanaraka amin’izany ny miaramila tamin’ny alalan’ny fametrahana paikady manokana ahafahana mamongotra ireo malaso. Nahitam-bokany izany satria dahalo raindahiny telo no indray voasambotra ta­min’io fotoana io. Nanao fisafoana tao amin’ny tsena ny miaramila ka nifanehatra ta­min’ireo dahalo. Nandritra ny fanadihadiana savaranonando no nilazan’ireto malaso ireto ny fisian’ny fitaovam-piadiana any am-pelatanan’ny na­many. Tamin’ny fotoana nakana izany fitaovam-piadiana izany no nisian’ny fifandonana ka nitarika ny fahafate­san’ireo dahalo telo lahy.

Jean Claude

Partager sur: