Manao hetsika fanairana ny tomponandraikitra mitantana ny Cnapmad sy ny minisiteran’ny Fitantanam-bola ny mpiasan’ny Cnapmad fa tsy mbola nisitraka ny karama roa volana janoary sy febroary hatramin’ny omaly. Miverina matetika loatra ny fahatapahan’ny karama ka mangataka fanatanterahana ny fampanantenan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, telo taona lasa, izy ireo amin’ny handraisana mpiasa 52 ho mpiasam-panjakana. Eo ambany fifehezan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny Cnapmad izay mpanamboatra fitaovam-pianarana sy kojakoja samihafa ary misahana ny fanontana ny laza adina rehefa tonga ny fanadinam-panjakana. Efa nalefa eny anivon’ny sampandraharaha misahana ny mpiasa ny antontan-taratasy fa miandry ny valiny izy ireo. 90 ireo voakasiky ny tsy fandraisana karama.
Fanairana no natao omaly ary miandry hatramin’ny anio ireo mpiasa amin’ny valin-teny. Hiroso amin’ny filanjana sora-baventy izy ireo mandra-pivoakan’ny karama roa volana raha tsy mivoaka izany. “Voalaza fa efa eny amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola ny antontan-taratasy ka miangavy ny famoahana izahay”, araka ny fanehoan-kevitry ny solontenan’ ny mpiasa, Razafilahy Rodin, omaly, teny Ankorondrano. Mijaly ny ankohonana vokatr’izao toe-javatra izao.
Vonjy A.