Nalain’ny polisy vao maraina tao an-tranony ao Mangarivotra Atsimo, omaly ireo jiolahy tompon’
antoka tamina vonoan’olona nahafatesana lehilahy iray…
Voasambotra ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia ireo roa lahy ahina ho tompon’antoka nanao tifitra variraraka ka nahafatesana lehilahy iray ny sabotsy 25 febroary teo, tao Mangarivotra Atsimo, Toamasina. Araka ny loharanom-baovao, anisan’ny voasaringotra tamin’ity raharaha namoizana ain’olona ity ny sakaizan’ilay ramatoa taloha. Efa nisaraka tamin’ilay ramatoa io lehilahy io ka nikasa hamerina azy. Tsy nanaiky anefa ilay ramatoa ka niaraka tamin’ilay sefona skoto voatifitra teny ambony moto io. Ity farany izay efa nikasa hampiaka-bady ilay ramatoa. Tombanan’ny mpanao fanadihadiana ho nanao valifaty, arak’ izany, io lehilahy sakaizan’ ilay ramatoa taloha io. Etsy andaniny, mety tsy io sakaizan’ilay ramatoa taloha io koa no nahavanon-doza fa jiolahy hafa mpamita iraka, araky ny famotoran’ny mpanao fanadihadiana hatrany. Manahy koa ireo mpanao fanadihadiana fa olona nanana olana tamin’io lehilahy namoy ny ainy io momban’ny resaka fiara. Andalam-panaovana ny fanadihadiana lalina, arak’izany, ny eo anivon’ny polisim-pirenena ao an-toerana ka andrasana ny fivoaran’ny raharaha.
Marihina fa manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly ilay ramatoa vadin’ilay sefona skoto maty voatifitra io sabotsy io.
Sajo