Hiompana amin’ny karazana sahanasa maro ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy amin’ity taona ity. Lohahevitra hovoizina amin’ izany ny hoe: “Fanabeazana ny ankizivavy, fampizakan-tena ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy”. Eo ambany fitarihan’ny fikambanana Fitia, tarihin’ny vadin’ny filoham-pirenena ny hetsika rehetra. Ho eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Mponina.
Ny 1 hatramin’ny 5 marsa, misy ny fampiofanana ireo andriambavilanitra 30, avy amin’ny faritra manerana ny Nosy. Tanterahina eny amin’ny ivotoeram-piofanana eny Mahitsy. Ankoatra izay ny fanofanana ara-teknika, mikasika ny fanaovana mofo mamy sy zaitra. Misitraka izany ny renim-pianakaviana Viavy Miavotse. Tanterahana eny amin’ny Lisea teknika, Tsimbazaza. Mpiara-miasa ny minisiteran’ ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Ny 6 hatramin’ny 7 marsa, tanterahina etsy amin’ny kianja Barea ny fampirantina momba ny fahaiza-manaon’ny vehivavy, ahitana karazana asa tanana samihafa.
Vehiv’Ara
Hisy koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ ireo vehivavy 460, avy amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy. Nahavita ny fiofanana momba ny varotra hanimasaka izy ireo. Etsy amin’ny lisea teknika Tsimbazaza ny lanonana momba izany.
Ho hita eny amin’ny zaridainan’Andohalo ny hetsika Vehiv’Ara misy ny asatanan’ireo andriambavilanitra.
Ny 7 marsa no hanatanterahana ny diaben’ny vehivavy miainga eny amin’ ny Gymnase Ankorondrano mihazo ny kianjan’Alarobia iarahana amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ankoatra ireo, ny fivezivezen’ny Tic Bus misy ny tolotra internet ho an’ny rehetra iarahana
amin’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra.
Ho tanterahana ao amin’ ny kianjan’ny Barea ny lanonana ofisialin’ny andron’ny vehivavy, ny 8 marsa. Maherin’ny 80.000 ireo vehivavy avy any amin’ny faritra sy fikambanana avy eto Antananarivo hifamotoana eny an-toerana. Tanjona ny fanehoana firaisankina amin’ny fahavononana hampandroso an’i Madagasikara.
Faranana amin’ny Takarivan’Iarivo eo amin’ny araben’ny fahaleovantena izany ny hariva.
Tatiana A