Banky Baobab sy Airtel Money: miara-miombon’ antoka amin’ny fampiasam-bola

Miara-miasa amin’ny fomba ofisialy nanomboka ny 2 marsa ny Banky Baobab sy ny Airtel Money. Hampi­tombo ny fampiasam-bola eto Madagasikara, araka ny tolotra fampiasan’ny Airtel Mo­ney ny fifanarahan’ny roa tonta. Fanamby lehibe izao amin’ny fampiasam-bola iarahan’izy ireo. Tsy atao sakana ho an’ny tsirairay sy ho an’ny firenena izany, amin’ny ankapobeny.
Ho an’ny Airtel Money, mifandraika tsara amin’ny asany ny fiarahana amin’ny ivotoerana mpampiasa vola toy izao.
“Misokatra ho an’ny va­hoaka manontolo, manana petra-bola amin’ny banky na tsia, na aiza misy azy na
amin’ny fotoana inona ny fampiasana izany. Amin’izao fiaraha-miombon’antoka izao, eo ny Airtel Money
amin’ny fampiasam-bola”, hoy i Eddy Kapuku, tale jenera­lin’nyAirtel.
Etsy andaniny, nilaza ny fahafaham-pony amin’ny fiaraha-miombon’antoka ny Ban­ky Baobab. “Noho izao fiaraha-miasa izao, faly izahay manamora ny tolotra amin’ny alalan’ny finday amin’ ireo olona manana petra-bola aminay”, hoy i Sandrine Mayindombe, tale jeneraly lefitry ny Banky Baobab.
Manomboka izao, afaka mifandray amin’ny Banky Baobab ireo manana petra-bola amin’ny Airtel Money. Afaka manao petra-bola na maka vola. An-tapitrisany ny olona mpanjifa ny tolotra avy amin’ny andaniny sy ny ankilany manerana ny Nosy. Sady afaka misoratra amin’ny andaniny roa, no afaka mifandray amin’ny firenen-kafa any ivelany ny mpanjifa. Nam­baran’ireo tomponandraikitra fa fiaraha-miasa mifantoka amin’ny fifanajana, firaisankina, sy fahavitrihana no natao.

Ndrina

Partager sur: