Tontosa omaly ny famindram-pibaikona eo amin’ny kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria Antananarivo. Namindra ny andraikitra ho an’ny kolonely Randrianarimasy Radosoa ny kolonely Randrianarijaona Herifidy Jocelyn. Narahina matso nataon’ny zandary tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina izany.
Nanome voninahitra ny fotoana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Nanao rodobe teny an-toerana ny mpikambana eo anivon’ny governemanta sy governora ary ireo solombavam-bahoaka ato anatin’ny faritra Analamanga. Nanotrona izany koa ny tomponandraikitra ambony isan’ambaratongany, ny zandary ary ny vadina zandary. Nitarika ny lanonana ny Jly Rakotondrazaka Andry, kaomandy ambonin’ny Zandarimariam-pirenena.
“Nahavita be ny kolonely Randrianarijaona Herifidy Jocelyn, nandritry ny herintaona sy tapany nifehezany ny CIRGN Antananarivo. Mandrisika sy mankahery ny kaomandin’ny CIRGN vaovao amin’ny fanohizana ireo ezaka efa vita sy hikatsaka ny mihoatra izany, araka ny fahefana sy ny fivoaran’ny toe-draharaha. Indrindra amin’ny filàn’ny fanjakana satria ny asan’ny Zandarimaria dia natao hiaro ny andrim-panjakana, ny Olombelona sy ny fananany”, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jly Serge Gellé. Notohizany fa diso ny filazana fa hery famoretana ny mpitandro filaminana. Araka izany, nanentana ny rehetra ny Seg mba hifanolo-tanana amin’ny mpitandro filaminana amin’ny alalan’ny tagnamaron’ny fandriampahalemana.
Manamboninahitra
Efa nisahana andraikitra maro teo anivon’ny foiben’ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena ny kolonely Randrianarimasy Radosoa. Kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Vakinankaratra nanomboka ny 11 mey 2019 izy, mialoha ny nanendrena azy izao. Kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Maintirano, ny taona 2005 ka hatramin’ny desambra 2007. Taorian’izay, nitana ny andraikitra mpanolotsaina miaramila misahana ny fifandraisana maneran-tany (conseiller militaire chargé des relations internationales) tao amin’ny kabinetran’ny primatiora izy. Nitana andraikitra maro teo anivon’ny fanarenana ny tsy fandriam-pahalemana sy fiadina amin’ny asa fampihorohoroana. Isan’ireo manamboninahitra ambony nametraka sy nandrafitra ny “reférentiel de compétence et de formation” tao amin’ny sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena ao Moramanga izy.
Henintsoa Hani