Fanehoan-kevitra : notebahan’ireo depiote i Soja Jean André

Tratry ny angaredon’ireo depiote ny mpanolontsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny fikambanana politika, Liaraike, i Soja Jean André. Mazava ny nambaran’ny depiote isany, Raholdina Naivo sy Voninahitsy Jean Eugène.

Samy nitaky ny tokony hametrahan’ Atoa Kaleta fialana, tsy ho isan’ny tandapa intsony ny solombavambahoaka sasantsasany, manoloana ny fanehoan-keviny. “Tena fampiadiana ny Antenimiera amin’ny fiadidiana ny Repoblika no nataony. Sady tsy olomboafidy no tsy lany depiote, natolotry ny IRD tany Taolagnaro akory izy nefa mitaky ny fialan’ny filohanay, Razanamahasoa Christine”, hoy izy ireo. Nampitandrina mihitsy aza ireto depiote, samihafa firehana ireto ny amin’ny tokony hampitsaharany ny faniratsirana ny filohan’ny Anteni­miera. “Manana ny hasiny iny “Reninay” iny ka aoka tsy hanao tahaka ireny”, araka ny nambaran’izy ireo.
Anisan’ny tsy levon’ny vavonin’Atoa mpanolontsaina manokan’ny filoham-pirenena ny lahateny nataon-dRatoa Razanamahasoa Christine, tany Fianarantsoa nandritra ny fi­haonan’ny Fizafafi. Tsy faly Atoa kaleta ka naneho hevitra.

Nolanian’ny depiote 100%

Nohitsin’izy ireo fa mitombina sy marina ny kabarin’ny filohan’ny Antenimiera, ka rariny raha miaro azy ireo ny depiote, sady zon’izy ireo koa izany.
Nanterin’izy ireo koa fa sarotra ny hanonganana ny birao maharitra sy ny filohan’ny Antenimiera ho an’ireo miketrika ny hanao izany. “Tsy hahazo ny vaton’ny maro anisa amin’izany. Nolanianay 100% izy ary tsy nanavahana Tim na tsy miankina izany. Voalohany teo anivon’ny Antenimiera izany filoha lany, tsy nisy nitsipaka izany “, hoy ihany izy ireo. Nambaran’ireto depiote ireto fa tsy ho tanteraka izany, amin’izao mialoha ny fifidianana izao.

Synèse R.

Partager sur: