Fiaraha-miasa: hanao fanazarantena iraisana ny Tafika malagasy sy frantsay

Naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa ara-tafika ny firenena frantsay. Hisy, araka izany, ny fanazarantena iraisan’ny Tafika mala­gasy sy frantsay…

“Mitohy hatrany ny fiaraha-mia­sa efa nisy ha­tramin’izay teo amin’i Mada­gasikara sy Frantsa izay niato noho ny fisian’ny valan’aretina Covid-19. Zava-dehibe ny fanamafisana ny fitohizan’ny fiaraha-miasa ara-tafika izay efa mafy orina hatramin’izay”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, raha nandray ny masoivoho frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, Arnaud Guil­lois sy ny tompon’andraikitry ny Fiarovana eo anivon’ity masoivoho ity, ny Kly Sé­bastien Dupety, teny Ampa­hibe izy, omaly. Naneho ny fahavononany hanohy sy hampivelatra izany miaraka amin’ny firenena frantsay koa ny MDN mba hahazoana vokatra tsara hatrany eny an-kianja. Niarahaba manokana ny MDN sy nirary soa azy amin’izao andraikitra napetraky ny filohan’ny Repoblika aminy izao ny masoivoho frantsay. Naneho ny hafaliany izy amin’ny fandraisana mahafinaritra natao azy. “Tsa­pa ny fahavononan’ny roa tonta hifanome tanana sy hiara-hiasa akaiky hatrany”, hoy Arnaud Guillois. Ho fanohizana izany fiaraha-miasa ara-tafika izany, misy ny fikarakarana fanazarantena iraisan’ireo Tafika avy aty amin’ny faritry ny Ranoma­simbe Indianina ahitana ny fandraisan’anjara ny Tafika malagasy sy ny “Forces armées de la zone sud de l’Océan Indien” na FAZOI. Ankoatra izany, mandray ny delegasiona frantsay avy amin’ny minisiteran’i Eoropa sy ny Raharaham-bahiny ny eo anivon’ny BANA Antsiranana amin’izao fotoana izao, hanatanterahana ny tetikasa fanatsarana ny tobim-pamaharana ao Antsiranana hahafahan’ireo karazan-tsambo rehetra miandriaka amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara miantsona ao.

Jean Claude

Partager sur: