Mitohy hatrany ny famotorana momba ilay sambokely nitondra teratany maorisianina niditra an-tsokosoko tao Vohémar herinandro vitsy lasa izay. « Misy ny teratany malagasy vitsivitsy ahina fatratra nifandray tamin’ireo olona niditra an-tsokosoko », hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Notohizany fa mifandray amina resaka zava-mahadomelina mahery vaika ihany ity raharaha ity. Ankoatra izay, mbola karohina fatratra ireo teratany vahiny ireo amin’izao. Fantatra sy natao famotorana kosa ilay mpanjono malagasy niresaka tamin’izy ireo. Tsiahivina fa hita teo Nosibe Maintikala, distrika Vohémar ny 20 febroary teo ity sambokely ity. Ny 18 febroary teo, nitady olona hitondra azy hitsangatsangana ireto teratany vahiny ka tojo lehilahy iray. Niangavy azy hitondra an-tsambo ho eny amin’ny Nosibe Maintikala ireto mpivahiny. Fotoana fohy taorian’izay, olon-kafa no noentin’ireo teratany maorisianina. Nisokatra ny famotorana. Fantatra taorian’io kosa ny anaran’ireo vahiny karohina, Jean Patrick Victoire sy Jean Daniel Victoire ary i Esperando Beeharry izay samy avy ao Trou d’Eau-Douce atsy Maorisy avokoa. Miara-manao famotorana an’ ity raharaha ity ireo mpitandro filaminana malagasy sy ny avy atsy amin’ny Nosy Maorisy.
Henintsoa H.