Fifanatonan’ny Ceni sy ny governemanta: efa hita soritra ny vola hiatrehana ny fifidianana

“Efa misy ny marimaritra iraisana, ary efa mifanakaiky ny fomba fijery raha ny famaritana an’io vola holaniana amin’ny fifidianana io”, hoy ny talen’ny kabinetran’ny Ceni, Andriamifidy Jean-Louis, ny amin’ny vola hoenti-manana ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny 9 no­vambra sy ny 20 desambra manoloana ny ahiahin’ny mpanao politika sasany.
Mbola misy ny tsy fitoviam-pijery sy ny tsy fahampian’ny vola enti-manana ny fifidianana, raha ny voafaritry ny lalàna mifehy ny tetibola. Satria tany amin’ny 45 miliara Ar no voasoratra ao amin’ny lalàna mifehy ny tetibola, nefa 140 miliara Ar mahery kely no nofaritan’ny Ceni. Taorian’izay, nisy ny fifanatonan’ny Ceni sy ny governemanta. Tato ho ato, niarahana tamin’ny fiadidiana ny Re­poblika sy ny minisiteran’ny Atitany izany.
Nisy koa ny fihaonan’ny filohan’ny Ceni tamin’ireo mpamatsy vola niaraka tamin’ny Praiminisitra, teny Anosy, tamin’ny 17 febroary. Teo koa ny fihaonan’ny filohan’ny Ceni manokana tamin’ireo mpamatsy vola. Tsy mitombina ny hoe tsy hama­tsy vola amin’ny fifidianana ny mpiara-miombon’antoka. Efa an-dalana amin’ny fifampidinihana ny fanjakana sy ny Ceni amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny famatsiam-bola ny fikarakarana fifidianana.

Aleo aloha hiasa ny Ceni

Raha misy mieritreritra hoe ndeha hovaina indray ireo mpikamban’ny Ceni hoe hasiana karazana olona toy izao na izatsy indray, araka ny fitakian’ny mpanao politika sasany: ahoana no hahazoana antoka fa hizaka tanteraka ny fahaleovantena manampy azy ao? Rehefa tsy mizaka izay fahaleovantena izay, na maro aza ny mpikambana ao: tsy hahaleo tena hatrany izany, araka ny fanazavany. Izay ny mahatonga ny filohan’ny Ceni niteny hoe aleo aloha hiasa ry zareo; avy eo, tsaraina na mahaleo tena na tsia.

R. Nd.

Partager sur: